“Raha te handeha haingana ny tena, mandeha irery; raha te ho lasa lavitra, miaraka amin’ny besinimaro”, hoy ny ohabolana afrikanina iray izay. Izay ny mahatonga izay mandeha irery na ny vitsy anisa manao hitsin-dalana? Na mitompo teny fantatra amin’izay lazainy sy ataony, manelingelina ny hafa, manakorontana aza indraindray… Amin’ny fiarahana amin’ny besinimaro, tsy maintsy misy ny fifampifehezana amin’ny fifampitondrana: mazava ny tanjona ary iombonana, ohatra, ifanarahana, ifanomezan-tanana… Raha misy sy iainana izay mampiombona, tokony hiombona ho azy avy hatrany?
Inona moa izany, rey olona, amin’izao toerana misy ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izao fa tsy ny ady amin’ny fahantrana, ohatra? Eo koa ny hoe fampandrosoana ny firenena, ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka, fanonerana sy fanarenana ary fanorenana izay tsy vita na tsy natao hatramin’izay… Nahoana? Saika izay mampisaraka mandrakariva no nifandroritana sy nohamafisina ka nampisara-bazana an-toerana, fa tsy izay mampiombona: eo ny tanindrazana, ohatra, ny vahoaka sy ny taranaka ho avy… Izay no mahatonga ny sasany mandeha irery? Tsy mahita sy tsy mahalala afa-tsy izay momba azy.
Io ady an-toerana noho ny hambom-po na fitiavan-tena io no anisan’ny mahatonga ny vahiny mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny tena? Mibaiko aza, manery, manjakazaka… Mijanona ho mahantra hatrany ny vahoaka na hoe manankarena aza i Madagasikara. Tsy tokony hitambatra sy hifanomezana tanana avy hatrany ve, ohtara, ny iray trano, raha misy avy any ivelany mitady hiditra na efa tafiditra? Saingy tsy izay no misy sy iainana amin’izao… Misy hatrany mpamosavy malemy, ka ny ao an-trano ihany no aripaka mialoha? Izay no tsy mahalasa lavitra, na mandeha haingana aza.
R. Nd.