«Amitié Evangélique Awards » : Rija Rasolondraibe, mpanakanto evanjelikan’ny taona 2024

Tsy nahagaga loatra raha ny zava-bitany ho an’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara. Nahazo ny fankasitrahana ho mpanakanton’ny taona 2024 i Rija Rasolondraibe.

«Izay vonona no mandeha ». Hiran’i Rija Rasolondraibe anisan’ny nisongadina indrindra tamin’iny taona 2024 iny io. Tsy izay ihany anefa no nahazoany ny mari-pankasitrahana ho « Mpanakanto evanjelikan’ny taona 2024 », fa eo ihany koa ny fampisehoana sy ny rakikira izay nisongadina. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Havoria Anosy, ny « Amitié Evan­gélique Awards”, izay natao hankasitrahana sy hano­mezana amboara ireo mpanakanto ara-pilazantsara mendrika izany, nandritra ny taona nivalona. Efa andiany faha-6 ny taona 2024, izay karakarain’ny Amitié TV.

Ireo mpankafy no nisafidy izay tiany isan-tsokajy,tao amin’ny pejy facebook ny “Amitié Evangélique Awards”. Ni­farana ny 15 febroary teo ny fifidianana ho an’ny rehetra, ka nahafahan’ny mpikarakara namoaka ireo mendrika isan-tsokajy. Nisy sokajy 10 teo no nisafidianana, izay miovaova isan-taona, satria miankina amin’ny fivoaran’ny hira fiderana anatin’ny taona iray izany.
Anisan’ireo nisongadina, ohatra, ny  Feon’ny Mpan­dresy Toamasina, tao amin’ny sokajy « Variété évangélique ». Ny Anjomara Famon­jena Anosibe, voalohany tao amin’ny sokajy « Medley-adaptation » tamin’ilay hira « Tambatra fifankatiavana ». Lasan’ny groupe Tanjona ny sokajy « Fiderana mihetsika Génération 2 », tamin’ny alalan’ilay hira « Afaka ». Tao amin’ny sokajy « Révélation » kosa nahitana an’i M’Itony sy ilay hirany « Ny fahasoavanao ». Ny sokajy « choral » ny Gafli, tamin’ilay hira « Hiroso hatrany ». Ny sokajy Ba gasy lasan’ny tarika Volatiana, tamin’ny alalan’ilay hira « Ry tanora ». Ny sokajy “Ado­ra­tion”, nisongadinan’ny “ Ma­naiky aho » an’ny Rise & Shine Worshippers…

Zo ny Aina

Partager sur: