Atrikasa iraisam-paritra: Hapetraka ny demokrasia ifampiresahana

Notanterahina omaly, tetsy Ivandry, ny atrikasa momba ny demokrasia ifampiresahana, ny tontolo iainana maharitra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nikarakara izany ny eo anivon’ny “Fondation de l’innovation pour la démocratie”.

Nivoitra tamin’izany fa tanjon’izao atrikasa izao ny fanamafisana ny andraikitry ny rehetra sy ireo mpikaroka. Eo koa ireo mpanapa-kevitra ara-politika miaraka amin’ireo fiarahamonim-pirenena. Manampy izay ny hametrahana fanamby ho amin’izany demokrasia ifandrombonana sy ifampiresahana izany.
Hamoaka fehin-kevitra ireo mpandray anjara amin’izao atrikasa izao mba hanatrarana izany tanjona izany. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ireo harena voajanahary, ny fiampitana amin’ny ekolojika, ny olana eo amin’ny tsy fitoviana ara-tsosialy sy tontolo iainana.
Manana mpikaroka maromaro i Madagasikara ka nosafidiana natao eto amintsika izao atrikasa izao. Hiara-kiasa amin’ireo Nosy manodidina izy ireo ary hitondra vahaolana maharitra, hifanaraka amin’ny fanamby iraisana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Ny miralenta sy ny fiovaovan’ny toetr’andro
Natao tamin’io fotoana io koa ny fampahafantarana ny “Laboratoire océan Indien de la Fondation de l’innovation pour la démocratie”. Niainga tamin’ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy Frantsa, tany Montpellier, ny taona 2021, izany.
Nosoniavina koa ny fifanarahana nametrahana ny masoivohon’ny “Océan Indien de la Fondation de l’innovation pour la démocratie”.
Etsy andaniny, niadiana hevitra koa ny lohahevitra momba ny miralenta, ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiarahamonina.

Synèse R.

Partager sur: