Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko MFM ary mitondra sosokevitra sy vahaolana hatrany. Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Ignace, fa tonga ny fotoana hametrahana ny fahaleovantenan’ny faritra. “Hitondra filaminana sy fivoarana ary fampandrosoana malaky ho an’ny mpiray firenena ny firosoana amin’izany. Miantso ny mpiray firenena rehetra izahay hiroso amin’ny dinika momba izany”, hoy izy. Nentaniny sy nantsoiny koa ny isam-paritra hanetsika ireo rehetra liam-pivoarana ho any amin’izany lalana izany. Nanteriny fa ilaina ny fananganana mandatehezan’ny fitiavan-tanindrazana ho fiarovana sy fametrahana ny faritra mizaka tena (MFT/3FM). “Ho amin’ny tombontsoa ambony ho an’ny firenena izany ary hiaraka handroso i Madagasikara amin’izay”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny tompon-kevitra sy vy nahitana tamin’ny fametrahana ny faritra ho 28 ny “Mafana” tamin’ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Tsy tanteraka manontolo anefa izany fa faritra 22 ihany no tafapetraka tamin’izany fotoana izany. Niampy ho faritra 23 indray izany taty amin’ny fitondrana Rajoelina Andry. Efa any amin’ny firosoana amin’ny fahaleovantenan’ny faritra kosa anefa izany izao ny MFM, anisan’ny tompon-kevitra tamin’io, araka izao tolokevitr’izy ireo izao, ka hiantsoany dinika fandaminana.
Synèse R.