“Anisan’ireo klioba matanjaka eto Madagasikara ny Elgeco Plus. Manana vina ny hiditra amin’ny sehetry ny matihanina tanteraka izy ireo”, hoy i Bandy Akama, mpitantana ny serasera eo anivon’ity ekipa ity, omaly. Araka ny fanazavany, mety handray karama hivelona amin’ny baolina kitra ny mpilalao ao, ary ny eo amin’ny serasera, hametraka fanamby ny hanana ekipa hampita televizionina. Tanjona amin’izany, ny hahafahana mandrakotra ireo lalaon’ny Elgeco Plus, izay tontosaina eto an-toerana sy any ivelany. « Efa fanaon’ny klioba any ivelany izany, ary tena mahomby ny asan’izy ireo», hoy ity tomponandraikitra ity.
Ankoatra izay, manana ny sokajy rehetra ny klioba, anisan’izany ny sokajy U13, U15, U17 ary efa eo an-dalam-pananganana ny ekipa vehivavy.
Eo amin’ny fampiakanjoana, manana eritreritra ny hiara-hiasa amin’ireo marika manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny Macron, Adidas, Puma, Umbro, ny klioba.
Nampahatsiahivin’i Bandy Akama, fa klioba iray niainga tany Manakara ny Elgeco Plus, ary Real de Manakara no anarany tamin’izany. Taorian’io, niakatra teto Antananarivo ry zareo, dia niforona ny hoe Elgeco Plus FC. Nisy ny fiombonana na ny “fusion” tamin’ny AS St Michel, ka lasa ASSM Elgeco Plus ny anarany tamin’izany. Nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara ry zareo ny taona 2013.
Rehefa vita izany, nahaleo tena tanteraka ny Elgeco Plus. Ampahafantarina ihany fa efa nandrombaka amboara maro, toy ny “Telma Coupe” 2013, 2015, 2017, 2022, 2023, 2024 ity ekipa iray ity ary efa inenina niatrika ny fifaninanana afrikanina, “Coupe de La Caf”.
Tsy mbola tompondakan’i Madagasikara
« Tanjona iray ho anay ny ho lasa tompondakan’i Madagasikara, satria tsy mbola nahazo izany mihitsy ny Elgeco», hoy hatrany i Miantso Fenosoa. Nambarany fa ny hiakatra amin’ny dingana avo eo amin’ny sehatra afrikanina mihitsy no tanjona apetrak’izy ireo.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny taona 2024 lasa teo ry zareo, resin’ny Disciples FC Vakinankaratra, tamin’ny isa 1 no ho 0, teo amin’ny lalao famaranan’ny fifaninanana nasionaly “Pureplay Football League (PFL)”. Ary nahintsan’ny Club Deportivo Da Lunda Sul avy atsy Angola, teo amin’ny dingana voalohan’ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina (CCaf).
Mbola mifanintsana amin’ny fifaninanam-pirenena ny Elgeco Plus ankehitriny, ary mitana ny laharana faharoa.
Ny baolina kitra ankehitriny
Maro ny lesoka hitan’ity tomponandraikitra ity amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao, saingy efa miezaka hatrany ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra manarina izany, araka ny filazany. Voalohany, tena mbola mila ezaka goavana ny resaka fifaninanana eto an-toerana. Eto Madagasikara, zara raha mahita dimy volana ny fifanintsanana. Ry zareo any ivelany nefa, mahavita milalao mandritra ny folo volana. Araka izany, mila manova ny rafitry ny fifanintsanana ny Malagasy, toy ny fisian’ny lalao mandroso sy miverina, ary izay be isa ihany no tompondaka. Eo ihany koa ny fitadiavana mpanohana ara-bola, hiatrehana ny fifaninanana, mba hampazoto ireo filohan’ny klioba.
Fitia R.
Randrianabo Miantso Fenosoa, na i Bandy Akama, mpanao gazety mpamakafaka baolina kitra. Zavatra tena tiany, ny filalaovana sy ny fijerena baolina kitra ary fialamboly tena tiany, ny mitsangantsangana miaraka amin’ny vady aman-janany. Ny tena faniriany, ny hitondra avo ny baolina kitra malagasy.