Vitsy mpahalala! Miisa 217 ny karazana tanalahy, antsoina koa hoe tarondro, fantatra maneran-tany, ka tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny 98 na ny 42%. Samy hafa ny tanalahy sy ny androngo na samy ao anatin’ny biby mandady aza, satria ao anatin’ny sokajy miadam-pandeha ny tanalahy. Sokajiana telo lehibe ny tanalahy eto Madagasikara. Mandady amin’ny hazo ny roa voalohany (« Furcifer » sy « Calumma »), raha mandady amin’ny tany ny fahatelo, ny « Brookesia ».
Biby teraka avy amin’ny atodin’ny reniny ny tanalahy, mihinana bibikely ary mandeha amin’ny atoandro ny ankamaroany. Anisan’ny mampiavaka azy miohatra amin’ny biby rehetra, ny masony roa samy hafa ny fitodiny, afaka mahita ny aloha sy aoriana ary ny manodidina (360 °). Ny tanalahy koa no hany biby miovaova loko ny vatany, manaraka ny lokon’ny zavaboahary manodidina azy.
Kely sy lehibe indrindra maneran-tany
Mampiavaka ny tanalahy eto Madagasikara, toerana ahitana azy, ny habeny. Eto amintsika no ahitana ny karazana tanalahy madinika indrindra maneran-tany, ny « Brookesia Nana », mirefy 2 sm ny halavany miaraka amin’ny rambony. Misy koa ny Brookesia, mirefy 6 sm, tsy hita raha tsy any Masoala (atsinanana avaratry ny Nosy). Ahitana azy koa any amin’ny tapany atsinanana, mirefy 8 sm. Vao hitan’ny mpikaroka farany tany amin’ny ala Akanin’ny Nofy, ala atsinanana, ny « Brookesia Nofy », mirefy 3,28 sm.
Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ihany koa anefa ny tanalahy lehibe indrindra maneran-tany, ilay antsoina koa hoe Tarondro. Ny « Furicifer Oustalet » no fantatra fa tanalahy lehibe indrindra maneran-tany, tsy hita raha tsy eto amintsika, mirefy 69 sm miaraka amin’ny rambony, any anaty ala maina sy mando. Eo koa ny « Furicifer Labordi », mirefy 30 sm ny lahy ary 18 sm ny vavy, fahita any Menabe.
Ao anatin’ny karazana « Furicifer Campani » ny any amin’ny faritr’Ankaratra, mirefy 14 sm, ny « Furicifer Minor » hita aty afovoantany, mirefy 24 sm ny lahy ary 16 sm ny vavy, izay tena maro sady marevaka ny lokony. Miavaka koa ny « Brookesia Perarmata » amin’ireo endriky ny hodiny toy ny biby dinaozoro madinika, mirefy 11 sm, hita any afovoany andrefan’i Madagasikara.
Fonenana sy fanondranana
Araka ny fanadihadian’ny IUCN, tandindomin-doza ny 50% ny tanalahy eto Madagasikara. Nilaza ny manam-pahaizana sady mpikaroka ao amin’ny fikambanana Madagasikara Voakajy, Andriantsimanarilafy Raphali, fa tsindry voalohany lehibe ny fahapotehan’ny ala, izay toeram-ponenany. Eo koa ny famonoana fahatany ny tanalahy, satria misy ny tsy tia ny endriny.
Tsindry lehibe faharoa ny lafiny varotra, ny fanondranana azy any ivelany. Misy tokoa ny fepetra mifehy izany, araka ny fenitra iraisam-pirenena Cites, mamaritra ny fetr’isa azo haondrana (quotas), saingy misy ny manondrana ny tanalahy antsokosoko.
Raha ny loharanom-baovao navoakan’ny gazety boky iraisam-pirenena, Mongabay, namoaka antontanisa ny Cites, fa manodidina ny 60 000 isan-taona ny tanalahy naondran’i Madagasikara ara-dalàna, nanomboka ny taona 90. Nihena tsikelikely izany, ka manodidina ny 14 500 ny taona 1998.
Notaterin’ny Mongabay, fa firenena tena anondranana ny tanalahy ny any Azia, Etazonia ary Eoropa. Milaza ny mpitaridia malagasy, fa ahina ho anisan’ny manondrana antsokosoko koa ireo mitonona na tena mpikaroka siantifika avy any Japon, Sina ary Eoropa. Ho an’ny Malagasy iray J…., tsy manangona tanalahy izy raha tsy misy ny vahiny mitady, satria mila vola izy. Any anaty ala any Lokobe, any amin’ny tapany avaratry ny Nosy ny toerana fanangonany izany.
Ankehitriny, ny sokatra indray no tena be mpitady ary izao mirongatra izao ny fanondranana antsokosoko azy ireny, nanomboka ny taona 2011, noho ny mankaty. Satria mitombina ilay lalan’ny tolotra sy ny tinady. Teo koa ny trafika andramena, nanomboka ny taona 2009, saingy nitsahatra ny taona 2015 sy 2016. Fanimbana ny harena voajanahary eto Madagasikara daholo ireo voalaza ireo, manafaingana ny faharinganan’ny toeram-ponenana ho an’ny biby dia eto amintsika, mitarika mankany amin’ny fiovan’ny toetr’andro, iainana mandraka ankehitriny.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy