INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny volonandro fahavaratra eto amin’ny Nosy, mandritra ity herinandro ity. Tombanana hitoetra ny varatraza any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, amin’ny faran’ny herinandro. Hanorana tandrifin-drahona ny ilany atsimo andrefana, ny atitany avaratra ary ny ilany atsinanan’ny afovoantany. Hanorana malefaka ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Hisy fidinana amin’ny ankapobeny ny maripana ho an’ny afovoantany, sy ny morontsiraka atsinanana, ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 11 – 27°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 39°C ny tolakandro.
5 099 ny isan’ny olona tonga nisoratra anarana hisitraka fiofanana maimaimpoana momba ny fanamboarana mofo mamy, savony, zaitra, nahandro, informatika… tao amin’ny distrikan’i Manakara. Ao anatin’ny hetsika Fijery hafa miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ny hetsika.
Milamina ny fanomanana ny fandraisana ny Caravane Medicale andiany faha-32 ao amin’ny kaominina Tsaramandroso, distrika Ambatoboeny. Anio no hanatanterahana izany ka hisitrahan’ny mponina tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana. Hisy kosa ny karazana fitiliana aretina sy fitarafana ary torohevitra ara-pahasalamana…
Mandray anjara feno amin’ny vonjy voina atao any Morondava sy Toliara ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Croix Rouge Malagasy. Nanampy ny famonjena ireo traboina sy fefiky ny rano. Nanampy tamin’ny fizarana ny fanampiana ho azy ireo koa. Eo koa ny fanentanana rehetra amin’ny fahamailoana noho ny fiakaran’ny rano.

Partager sur: