Kick-Analamanga: Nanokatra ny taom-pikatrohana 2025

Nanokatra ny taom-pikatrohana 2025 tamin’ny alalan’ny fifaninanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ligin’Analamanga, taranja kick-boxing, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay nahitana mpandray anjara manodidina ny 180. Klioba 27 no nahatonga solontena.
Nahafahana nahita ny lentan’ny mpikatroka ny taranja kick-boxing amin’izao fiandohan’ny taona izao ity fifaninanana ity, izay antenaina ny hahatsara hatrany ny vokatra ho an’ny ligin’Analamanga, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny ligin’Analamanga, i Manirisoa Sabryse. Nitondra fanentanana ihany koa ity filohan’ny ligin’Analamanga ity ho an’ireo “Maître de salle” mba ho fitaratra hatrany ho an’ny mpikatroka ary hanaraka ny fitsipika mifehy ny fifaninanana, ho fampivoarana ny kick-boxing eto Analamanga.
Ho tohin’ny fandaharam-potoana, manomboka ny 9 marsa izao ny fifaninanana eny anivon’ny seksionina, ka hisantatra izany ny seksionina Atsimondrano, hitohy amin’ny seksionina Avaradrano, Antananarivo Renivohitra ary Andrefaniarivo.

Mi.Raz

Partager sur: