Malina hatrany

 

Mbola mitohy ny voka-dratsin’ny rivodoza Honde any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miakatra izaitsizy ny rano ary mihadobo ny tanàna maro. Mivadika ny rasa, tsy ny haintany intsony no ahafantarana ny any atsimo, fa misesisesy ny tondradrano. Maro ny trano rava. Maro ny rava fananana. Efa isan-taona no lalovan’ny rivodoza ny any an-toerana.
Mihamafy ny fahavoazana isan-taona. Matetika mahery kokoa ny tafio-drivotra rehefa avy any amin’iny Lakandranon’i Mozambika iny. Mila fahamailoana hatrany ny toe-javamisy, araka izany. Tsy voafetra ny mety hisian’ny tampodifohy amin’ny rivodoza. Vantany vao tafavoaka an-dranomasina izy dia miverina mahazo aina. Tsy ferany ny ora-mikija tsy mety mifarana.
Tsy voasoroky ny sain’olombelona ny mahakasika ny voina voajanahary ka mila mitandrina hatrany. Tsy ho an’ny mponina any atsimo samirery fa mitombona ho an’ny aty an-drenivohitra. Marina fa efa midina ny rano, afaka mody tsikelikely ny traboina saingy mila mandray fepetra hatrany.
Ilay loza faharoa, ateraky ny firodanan’ny trano no tena mila jerena akaiky. Rehefa mihamaina tsikelikely ny rindrina matetika no mohoka ny biriky na ny feta nametahana azy. Tsy ny ranobe ihany no mampirodana ny tanàna fa ilay rano efa mitsitsiaka iny. Zava-dehibe, araka izany, ny fanarahana ny toromarika avy amin’ny manam-pahaizana manokana.
Mbola mipetraka ihany koa ny filazana loza eny amin’ny faritra avo mikisilasila, toy ny eny Ambohimitsimbina sy ny ambanin’Anatirova iny. Lahitokana ny aina, tsy azo hanaovana kinanga. Izay no tsy maintsy hitandremana sy hitadiavana ny fomba rehetra hialana mialoha ny patsa iray tsy omby vava. Tsy misy tokony hahamaimaika hody, raha tsy efa manome alalana sy ambany ny tahan’ny ambana mety hitera-pahavoazana!

r.r

Partager sur: