Herintaona aty aoriana, milatsaka ny sazy ho an’ilay mpamily taxibe, nanosy tamin’ny fiara ka nahafaty lehilahy iray. Mandoa onitra 23 tapitrisa Ar sy migatra 20 taona, sazy mihatra avy hatrany izy.
Onitra 23 tapitrisa Ar, miampy sazy mihatra 20 taona any am-ponja. Io ny sazy azon’ilay mpamily nanosy mpitondra moto teny Mahamasina, nandritra ny voka-pitsarana azy teny Anosy, omaly. Nandona olona teny Tsimbazaza, nenjehin’ilay raim-pianakaviana nitondra moto sy ny namany io taxi-be io, ny harivan’ny sabotsy 20 janoary 2024. Mamo ny mpamily ka nanohy hatrany ny lalany. Nandeha mafy, tratran’ireo mpitondra moto izy teo amin’ny arabe nifanila amin’ny kianja Barea. Tsy nety nijanona anefa io mpitondra fiara io. Nibahana teo alohan’ny fiara, noho izany, ilay lehilahy niaraka tamin’ny moto nentiny. Niezaka hanakana ilay fiara sy hijanonan’ny mpamily mba hijery ny fahavoazany naterany noho ny nandonany ilay mpandeha an-tongotra izy. Poa toy izay, naroson’ilay mpitondra taxi-be hatrany ny fiara. Voataritariky ny fiara ka voatsindry tao ambany ilay mpitondra moto. Naratra mafy ity farany sady potika tanteraka ny moto nentiny.
Voarakitra an-tsary
Azon’ny “caméra” tsy lavitry ny arabe avokoa ny zava-nitranga rehetra tamin’io fotoana io. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook rahateo izany. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana. Voasambotra tamin’io fotoana io ihany ilay nahavanon-doza. Maty tsy tra-drano ilay olona nohitsahiny tamin’ny taxi-be. Nampiaka-peo ireo fikambanana mpitondra kodiaran-droa ary naneho ny fiombonany amin’ny hampiharana ny lalàna amin’ny tompon’antoka tamin’ny vono olona. Ny fianakavian’ny lasibatra rahateo izay tsy nanaiky hatramin’ny farany noho ny fahaverezan’ny ain-janany. Notanana teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy niandry ny fotoam-pitsarana azy, taorian’ny fampanoavana io mpamily taxi-be io. Nivoaka omaly ny didy ka izao niafara amin’ny fihazonana azy am-ponja 20 taona miampy lamandy izao.
Tsiferana R.