Vehivavy iray tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza tao akaikin’ny Stadium Barikadimy, omaly maraina. Niatomboka tamin’ny fangalarana ny kavin’io zaza 6 taona io izany, ka tsikaritry ny olona. Tezitra ireo nahita maso ka saika hamono hahafaty azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra io vehivavy io. Efa tazomina sy hanaovana famotorana ihany koa izy, amin’izao.
Mpiasan’ny Jirama, nanao asa fanarenana ny famatsian-jiro, maty teny ambony andrinjiro, ny sabotsy lasa teo, tany Ambohimaha, avaratr’Alakamisy Ambohimaha, Fianarantsoa. Nahakasika ny tariby mitondra herinaratra mahery vaika izy, tamin’io, ka may sy niraikitra ary namoy ny ainy teo no ho eo. Niezaka namonjy azy ireo namany fa natsipin’ny herinaratra ka nianjera avy eny ambony ihany koa.
Miatrika fanadihadiana lalina eny anivon’ny borigadin’ny zandarimaria Fenoarivo ireo jiolahy roa tratra nangalatra entana tetsy amin’ny tokantrano iray tetsy Ambodiafontsy Ampitatafika, ny herinandro lasa teo. Namono ny tovolahy 18 taona tao ambany rihan’io trano io ihany koa izy ireo. Anisan’ny andrasan’ny maro ny sazy hahazo ireto olon-dratsy nahavanon-doza ireto.
Tovolahy 21 taona mpianatra handeha hanao fizaran’asa eo anivon’ny hopitaly be, no notsatohan’ny jiolahy antsy, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nosakanan’ny lehilahy telo mitondra basy sy antsy tany Mangarivotra Atsimo, parcelle : 21/53 izy io. Tsy nanaiky mora fa namaly ireo olon-dratsy ireo izy ka notsindromin’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy ny tao an-damosiny.