Tsy mitsaha-miakatra ny euros tao anatin’ny iray volana. Mitotongana manaraka izany koa ny Ariary. Omaly, nisanda 4 920,02Ar ny euro iray, raha toa ka 4 713,52Ar kosa ny dolara. Porofo izao fa ambony ny taham-panafaran’i Madagasikara entana any ivelany raha ambany kosa ny fanondranana tokony hataontsika.
Nifandinika momba ny tombontsoa entin’ny lalàna amerikanina hanomezan’i Etazonia tombony ara-barotra ho an’ireo firenena afrikanina atsimon’i Sahara, eo amin’ny sehatry ny lamba (Agoa) sy ny lavanila ny fihaonan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika.
Tafatsangana ny tondrozotra mandrafitra ny famatsiam-bola ho an’ny karazan-javamananaina hatramin’ny taona 2030, nandritra ny COP 16.2, natao tany Roma. Dingana lehibe amin’ny fanamboarana rafitra famatsiam-bola mahomby, izay tena ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny fahasamihafana biolojika izany.
Tanora mpandraharaha miisa 20 no nahavita ny fiofanana « Masterclass ». Novoizina nandritra ny efatra andro nanaovana ny hetsika ny kolontsaina fanombohana ny fandraharahana, ny “business plan”. Tanjona ny handraisan’ireo tanora andraikitra sy manitsy ary mampandroso mba hampahomby hatrany ny tetikasa ataony.