Nanohy ny fidinana ifotony tao amin’ny distrikan’i Vohipeno ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, rehefa avy any Manakara, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisongadina tamin’ity fitsidihana ity ny fanokafana ofisialy ny “marathon des formations”, hetsika natao hampiroboroboana ny fanofanana arakasa. Notsindrin’ny minisitra fa ilaina ny mitrandraka ny talenta sy ny fahaiza-manao hoenti-mandroso amin’ny fiainana, ho an’ny isam-batan’olona. Ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho hanampy ny tanora sy ny olon-dehibe hanatratra io tanjona io. Tsy afaka hiasa birao avokoa ny vahoaka fa eo ny fitrandrahana ny talentan’ny tsirairay ka hanome fampiofanana maimaimpoana ny minisitera. Misy ny foibe fampiofanana isaky ny distrika fa tsy afaka nandeha tany noho ny antony samihafa ny rehetra ka ny fomba fiasa fijery hafa dia natao handrodana ny sakana rehetra.
Maro tamin’ny vahoaka no nisitraka fiofanana faobe momba ny fanamboarana mofo mamy sy fiompiana akoho hananany asa fivelomana avy hatrany. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny CFP Vohipeno ny hetsika ka nisy ny dinika sy fifanakalozana niaraka tamin’ireo tomponandraikitra mahakasika ny fampandrosoana ny ivontoeram-panofanana. Nandalo teny amin’ny “Foyer de Tanjomoha” izay mikarakara ireo olona manana fahasembanana ihany koa ny delegasionina.
Vonjy