Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy : Hampirantiana ny zava-bitan’ny fikambanana

Hanomboka anio ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy izay efa nosantarina tamin’ny diabe ho an’ny fahasalamana andiany faha-32 « Saro­bidy ny aiko » teny Am­bohidratrimo ary namakivaky ny lalam-pirenena fahefatra. Nanome tolotra fahasalamana maimaimpoana miaraka amin’ny fanafody sy ny fitarafana samihafa ny mpiasan’ny fahasalamana. Mbola hitohy ao amin’ny Centre de vaccination ao Mahajanga ny fanomezana tolotra fahasalamana, ny 7 marsa.
Hitohy mandritra ny hateloana ny fankalazana ka any Mahajanga no hotontosaina ny hetsika, ny sabotsy 8 marsa, eny amin’ny Village touristique. Hisy ny fizarana torohevitra momba ny zon’ny vehivavy sy fanentanana samihafa. Mikarakara fifanentanana amin’ny fambolen-kazo koa mandritra ny fanamarihana any an-toerana ny tomponandraikitra.
Hampirantiana ny zava-bitan’ny fikambanam-behivavy maro manerana ny Nosy ary hitohy ny fanomezana tosika ho an’ny fizakan-tenan’izy ireo. Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra ny lohahevitra horaisina amin’ity taona ity. Hiahy manokana ny zavatra atao rehetra ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, fa hitarika ny fanamarihana kosa ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina.
Manotrona ny hetsika man­dritra izany fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy izany ireo vehivavy rehetra mpikambana ao amin’ny governemanta.

Vonjy

Partager sur: