Bisikileta – Maneran-tany: Laharana fahatelo alohan’ ny farany i Madagasikara

Ratsy ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ny filaharana maneran-tany izay navoakan’ireo federasiona iraisam-pirenena UCI. Maro ny olana sedrain’ny mpikatroka ity taranja ity.

Araka ny fikarohana na­tao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nivoaka ny filaharan’ireo firenena mifaninana amin’ny hazakazaka bisikileta. Raha ny tazana tao amin’ilay rohy “Procyclingstats UCI Ran­king”, fantatra fa mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo amin’ny farany maneran-tany i Madagasikara raha toa ka faharoa amin’ny farany aty Afrika. Raha ny filazan’ireo teknisianina, mitombina tanteraka ihany io filaharana io, noho ny tsy fisian’ny fifaninanana eto an-toerana, izay zara raha mahita iray anaty taona. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny Malagasy mandray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena samihafa nefa amin’ireny no ahafahana ma­hazo isa anivon’ny federasiona iraisam-pirenena UCI. Ta­ranja iray misy eto Mada­gasikara ny bisikileta ary manana ny rafitra federaly mijoro ara-dalàna, saingy tsy dia ahenoana feo loatra ny mahakasika azy.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa eo amin’ny laharana fahefatra aty Afrika i Maurice.

Hatao any Seychelles
Tokony handray lalaon’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity taom-pilalaovana ity, i Madagasikara. Raha ny vaovao azo tamin’ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta, mety hiova ny toerana hanaovana ny fifanintsanana satria tsy ampy ny hoenti-manana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao any Seychelles ity lalao iraisana amin’ireo Nosy rahavavy ity. Tsiahivina fa natao tany Maurice, ny andiany voalohany, ny taona 2024 teo.

F.R

Partager sur: