Na mifanalavitra be. Na mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra. Antony iray tsy mampitovy ny zavatra hain’ireo mpianatra niofana tany amin’ny toeram-pampianarana samihafa. Ny mpampianatra sasany nampiana-tena. Ny hafa voky traikefa. Ny ankoatra ireo, nandalina na nianatra tany ivelany… Vokatr’ireo, samy hanana ny hainy sy ny manavanana azy ry zareo mpampianatra zavakanto.
Tsy tokony ho sarotra anefa ny mandrindra ny tranga tahaka izany. Mila mametraka fandaharam-pianarana iraisana isaky ny taranjan-javakanto sy karazan-kolontsaina. Adidin’ny mpampianatra ny manatanteraka azy io. Mifandinika, mifanakalo hevitra… Fifanakalozana eo amin’ny samy teknisianina. Tsy hitsabahan’izay tsy mahafehy ny taranja ny fifampidinihana.
Tsy ilana fankatoavan’ny vahiny ny fandaharam-pianarana iraisana, havoaka aorian’ny dinika. Misongadina izany eo amin’ireo zavakanto an’ny Malagasy manokana. Tsy hain’ny vahiny, ohatra, ny fanorona. Inona ny antony tsy hamoahana fandaharam-pianarana iraisana ho an’ny fanorona?
HaRy Razafindrakoto