Hatao any Mahajanga ny filankevitry ny minisitra, rahampitso. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, miaraka amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ary ireo minisitra eo anivon’ny governemanta. Tanjona ny hanakaiky vahoaka hatrany, ny hitondra ireo vahaolana sy fampandrosoana miainga eny ifotony, araka ny fanambarana.
Mitentina 79 miliara Ar ny vinavinan’ny tetibola 2025 ho an’Antananarivo Renivohitra. Natolotra ho dinihina mandritra ny fivoriana ara-potoana ho an’ny filankevitra monisipaly, mandritra ny 10 andro, izany. Miampy 7 miliara Ar izy io raha oharina amin’ny tetibola tamin’ny herintaona.
Nifantoka amin’ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly ny dinika teo amin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, sy ny filoha vonjimaika mitarika ny CSI. Voaresaka koa ny momba ireo didy aman-dalàna tokony hampiharina. Anisan’izany ny paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin’ny kolikoly 2025-2030.
Ao anatin’ny fanomanana ny hiatrehana ny Andron’ny vehivavy, ny 8 marsa, ny eo anivon’ny vehivavy Tim. Nivory teny Bel Air, omaly, ireo mpikambana eo anivon’ny vehivavy Tim boriborintany fahatelo. Hitohy amin’ny fivorian’ny vehivavy avy amin’ity antoko ity eo anivon’ny faritra Analamanga izany, ho an’ny anio.