Araka ny lalàna manan-kery dia tsy tokony hanao asa hafa ivelan’ny asany ireo mpiasam-panjakana. Voakasik’izany ireo mpampianatra amin’ny oniversite. Tsy tokony hanana oniversite tsy miankina ihany koa, araka izany, ny mpampianatra amin’ny oniversite.
Misy anefa mandika ireo lalàna ireo. Mijoro manohitra izany ary te hampihatra lalàna ny vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana saingy noravana avy hatrany.
Nisy avy eo ny naoty navoakan’ny minisitera manome fe-potoana herinandro ho an’ireo kandidà milaza ny tokony handaminan’ireo mpirotsaka hofidina ny momba azy.
Manome vahana ireo kandidà tsy ara-dalàna anefa izany naoty izany. Hahavitana manova ny famindram-pitantanana eo amin’ireo mpampianatra tompona oniversite tsy miankina sy mampiato ny fahafahany mampianatra amin’ny oniversite anefa io herinandro io.
Misy anefa tena sady tompona oniversite no mpampianatra eny Ankatso ka tsy tokony hoekena raha ny fanehoan-kevitry ny mpanaraka akaiky ity fifidianana ity.
Tatiana A