Nanome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina noho ny tondradrano nateraky ny rivodoza Honde ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Beloha, ao amin’ny toeram-pandraisana EPP Zambe. Toy izany koa ny traboina ao amin’ny kaominina Androka sy Itampolo, izay samy nahazo fitsaboana maimaimpoana manandrify azy avy.
Tontosa ny fanamafisam-pahalalana momba ny fahasalamana sy zo ara-pananahana ho an’ireo mpampianatra sy solontena avy amin’ny Dren sy Cisco eo anivon’ny Lycée Toamasina II, lycée Mixte Nosy Be ary lycée Antanimalandy. Nampahafantarina ny fiarovana sy ny ady amin’ireo herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy, ny vohoka aloha loatra sy ireo aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny fampiroboroboana ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fanekena malalaka sy mazava.
Manome fahafahana ny mpianatra hahazo fanabeazana sy kianja hanaovana fanatanjahantena ny fandaharanasa « Let Us Learn » ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa Antanimora, any Marovoay, Boeny. Tohanan’ny komity nasionaly Unicef avy any Etazonia sy Alemaina ny fandaharanasa hamerenana ny ankizy any an-tsekoly, indrindra ny ankizivavy ka mifantoka amin’ny fanabeazana, fiarovana ny ankizy ary fiarovana ara-tsosialy izany.
Efa nisokatra ny 3 marsa lasa teo, ny fisoratana anarana ho an’ireo Malagasy mpianatra maniry ny hipetraka ao amin’ny toeram-pandraisana Cachan sy Arago any Frantsa. Mandritra ny fianarana any an-toerana ny fe-potoana hitoerana ao. Hikatona ny volana jona ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana rehetra.