Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, fa tena miezaka tokoa amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny tenany, miaraka amin’ny loholona sy ireo mpiasa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Notsindriny fa miezaka hatrany mampivoatra ny diplaomasia parlemantera handraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy hikatsahana ny soa ho an’ny vahoaka malagasy ny Jly Ravalomanana Richard. Anisan’ireo mpanorina ny fikambanan’ireo loholona aty Afrika association des sénats d’Afrique ny tenany, miaraka amin’ny avy any Congo sy i Côte d Ivoire.
Notsindriny fa ohatra tsara ho an’ny Malagasy, indrindra ho an’ny mpanao politika sasany ny fahatongavana sy fandraisan’ny vahiny anjara amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana tahaka izao natao teny Ambohimanga Rova, omaly, izao. “Ny vahiny aza miezaka mitsinjo ny hampandrosoana an’i Madagasikara sy hiadanan’ny vahoaka malagasy, amin’ny fambolen-kazo ho famerenana indray ny Nosy ho maitso. Mainka fa isika Malagasy, tompon-tanindrazana”, hoy izy.
Tsiahivina fa mifanotrona hatrany amin’ny tomponandraiki-panjakana hafa rehefa misy fanasana ho amin’ny hetsika fambolen-kazo ny eo anivon’ny Antenimierandoholona. Anisan’ny tonga nanatanteraka izany ireo minisitra sasany eo anivon’ny governemanta.
Synèse R.