Lanja miakatra

 

Tsy misy fiainana mihamora izany? Dia lasa fomba fiaina sy fisaina ny fiaretana, fihafiana, fahoriana aza. Nahoana? Fahoriana sy fampijalian-tena ny fiaretana tsy anantenana fiovana sy fihatsarana amin’izay iforetana. Sanatria, izany ve no misy sy iainana amin’izao raha ny fiakaran’ny vidim-piainana? Saika mandeha ho azy ny fihafiana amin’ny fidangan’ny vidim-bary. Raha dimy kapoaka, ohatra, no fandrotsaky ny ankohonana indray mahandro, ahena ho telo na efatra kapoaka izany. Tsy firy no manao fanamby amin’ny tenany hoe: ahoana no hampitomboana ny vola ao an-tokantrano mba tsy hampihenana ny fatram-bary. Raha mety aza, hampitomboina izany fa mitombo sy mihamafy ny asa.
Izay hampitomboana sy famoronana asa izay no tsy ampy na tsy misy firy? Tsy mahagaga raha malaky mianina sy mionona amin’ny fiaretana. Mandra-pahoviana? Hira ihany ny hoe hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa. Tsy hisy izay fiovana raha tsy ny fomba fijery sy ny toe-tsaina no miova, tsy hisy izay fandrosoana raha tsy ny fanao amam-pomba no mandroso… Amin’ny fomba ahoana? Mba tsy hilatsaka an-toerana sy miverin-dalana lava amin’izay atrehina, fa mila mandroso: tsara sy lasa lavitra no ho ny teo aloha. Ahoana, ohatra, ny famoronana sy hampitomboana asa, fa tsy mianina sy mionona lava amin’izay misy sy iainana hatrany. Eny, na efa mby amin’izay tsy zaka sy tsy azo leferina aza izany, raha mba miverina kely amin’ny teo aloha, ohatra, dia ibitahana fa hoe mihatsara.
Nefa mankany aloha ny hoe fandrosoana. Lanja miakatra izany fa tsy refy midina. Ahoana no hampiakarana ny fahefa-mividy raha miakatra ny vidim-piainana, fa tsy hoe ahoana no hampidinana ny vidin’entana? Ahoana koa, ohatra, no hampiakarana ny sandam-bola amin’ny toy izany? Lanja miakatra ny fiainana…

R. Nd.

Partager sur: