Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Parc de Princes France, ny fifanandrinan’ny Paris Saint Germain, ekipa mpampiantrano sy ny Liverpool FC, anglisy. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra, « Ligue des Champions 2025 ».
Raha ny valin’ny fikarohana natao, mbola manala vela amin’ity ekipa frantsay ity ny Liverpool. Tsiahivina fa efa tamin’ny fito taona lasa, izany hoe, ny 2018, no nifandona farany ny ekipa roa tonta. Ity fihaonana ity, heverin’ny mpankafy baolina kitra maro ho toy ny famaranana kely, satria samy laharana voalohany any amin’ny fifaninanam-pirenena misy azy avy izy ireo. Marihina fa hotontosaina ny 11 marsa ho avy izao, any Anfield Liverpool, ny fihaonana miverina ho an’ireto klioba roa sangany atsy Eoropa ireto.
Ankoatra izay, adin’ny samy alemà na « Rainiboto » ny ao Allianz Arena. Hifampitana ao ny ekipa tompon-jaridaina, Bayern Munchen, sy ny klioba mpanafika, Bayer Leverkusen 04.
Tompondaka