Lomano-Mada 25m: Zava-bita tsara indrindra telo montsana

Zava-bita tsara indrindra 3 no montsana, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 metatra. Fifaninanana no­tontosaina teny amin’ny Esca Antanimena, ny faran’ny herinandro, izay nahitana mpandray anjara 457, avy amin’ny ligim-paritra 7, manerana ny Nosy. Teo amin’ny 50 m dos, nomontsanin-dRabej­a­ona Holy Antsa ny zava-bita tsara indrindra izay azy ihany, ka vitany tao anatin’ny fe-potoana 29 : 51 izany, raha toa ka 30 : 32 no nanaovany io 50 m dos io, tamin’ny 29 marsa 2024, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2024. Mbola i Holy Antsa ihany koa no nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra faharoa, ny sabotsy teo, teo amin’ny 100 m 4 nages. Vitany ta­min’ny fe-potoana 1:07 :80 izany raha toa ka 1 :07 :81 no nahavitan-dRabetsara Este­l­lah io 100m 4 nages io.
Teo amin’ny lehilahy kosa, nisongadina tanteraka An­driam­penomanana Baritiana, izay nahavita nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra, teo amin’ny 800m nage libre. Tamin’ny fe-potoana 9:04:90 no nahavitany izany, raha toa ka 9:09:17 no ny fe-potoana nanaovany io hazakazaka io, tamin’ny 30 mars 2024 (Mada 2024). Tsy vitan’izany fa mbola nanatsara zava-bita roa ihany koa i Baritiana nandritra ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 25 m ity, teo amin’ny 400m 4 nages sy 800m nage libre.
Tsiahivina fa natao hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Juniors, hatao any Egypte, ny 30 avrily hatramin’ny 4 mey izao, iny fifaninanam-pirenena iny, izay hitohy amin’ny 50 m, ny 17 hataramin’ny 20 avrily izao, any Toamasina.

Mi.Raz

Partager sur: