« Madagascar Film Festival »: Hampiakarana ny lentan’ ny sarimihetsika malagasy

Hetsika sambany no hisy. Fanandratana ny sarimihetsika malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy ny tanjona, amin’ny alalan’ny fankasitrahana ireo mpisehatra mendrika, mandritra ny « Madagascar Film Festival » na ny « Issm Awards 2024 ».

Toa ireny lanonana fanomezana mari-pankasitrahana any ivelany ireny ihany. Efa nisy nanao ny tsy miankina, saingy voalohany ho an’ny sarimihetsika malagasy kosa ny hoe ny rafitra ara-panjakana mpiahy azy no mikarakara “Awards”. Hoton­tosaina ny 26 hatramin’ny 30 marsa ho avy izao mantsy ny “Madagascar Film Festival / Issm Awards 2024”, raha ny fanazavana nomen’ny komity mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.
“Efa tamin’ny taona 1937 no nivoaka ny sarimihetsika malagasy voalohany, Victoire Rasoamanarivo. Tsy mbola nisy ny hetsika natao hanomezana fankasitrahana ireo mendrika tao anatin’ny sehatra hatramin’izay. Tanjona ny fametrahana ny fampiarahana ny mpisehatra rehetra anatin’ ny tontolon’ny sarimihetsika sy hampiakarana ny lentany. Mba hialana amin’izay ilay hoe film gasy nampalaza ratsy, fa aseho kosa hoe manasongadina ny kolontsain’ny firenena ny sarimihetsika”, hoy ny fanazavana nentin-dRapôka, mpikambana ao anatin’ny komity mpikarakara.
Nentanina, araka izany, ireo trano mpamokatra rehetra mba handefa ny sanganasany hifaninana, ao anatin’ireo sokajy nofaritana: “fiction”, “documentaire”, “animation” ary “série”. Mitsinjara zana-tsokajy roa izany, lava na fohy. “Tsy asiana fanavahana ary tsy noferana ho an’ny taona 2024 ihany ity andiany voalohany ity. Izay vokatra nivoaka tamin’ny taona 2000 no ho mankaty dia afaka alefa mifaninanana avokoa”, hoy i Jason Gle, mpilalao sady mpanatontosa, ao anatin’ny komity mpikarakara. Na izany aza, notsinjaraina isaky ny vanim-potoana ihany, ka eo no hidiran’ny safidin’ny mpankafy: ny nivoaka 2000 – 2010, 2011 – 2020 ary ny 2020 – 2024.

Mari-pankasitrahana 75
“Tsy misy mpitsara ireo ao anatin’ny komity mpanomana, satria mpisehatra manana vokatra mifaninana ihany koa izy ireo. Efa nanomana, saingy tsy mbola nampahafantatra kosa izahay”, hoy ny nambaran’ny talen’ny Ivontoeran’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara na ISSM, Andriatseheno Dominique. Nambarany koa fa mari-pankasitrahana miisa 75 no hozaraina amin’io fotoana io. “Misy olombelona maro nanamarika ny sarimihetsika malagasy tokony hankasitrahana. Eza­hina homen-danja daholo ny manodidina ny famokarana sarimihetsika rehetra”, hoy hatrany ny talen’ny ISSM. Mazava loatra fa hiverenana halefa ireo sarimihetsika hifaninana, ka handeha ao amin’ny Ivokolo Analakely, Havoria Anosy ary ao amin’ny efitrano Rabesahala, Tranombokim-pirenena Anosy.

Zo ny Aina

Partager sur: