Mampivondrona ny heriny hametrahana tontolo maitso i Madagasikara sy i Congo. Tanjona ny hikajiana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana.
Niara-nankalaza ny «Andro afrikana ho an’ ny tontolo iainana» sy ny «Andro Wangari Maathai» i Madagasikara sy i Congo, ny 3 marsa 2025 teo. Natao teny amin’ny fokontany Antolojanahary, kaominina Mahavelona, distrika Ankazobe, ny hetsika. Miisa 3 000 ny zana-kazo nambolena, tamin’ny velaran-tany
3 ha. Tafiditra ao anatin’ny 10 taonan’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny fambolen-kazo aty Afrika sy maneran-tany ihany koa ity natao ity, natsangan’ny filohan’ny Repoblikan’i Congo, Denis Sassou N’Guesso.
Miara-mahatsapa ny roa tonta fa miha tandindomin-doza hatrany ny harena voajahary, ka ilaina ny fiaraha-mientana toa izao, hiadiana
amin’ny fandripahana ala, ny fanarenana azy ary ny fanentanana ny mponina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.
Izany dia mikendry ny hamerenana amin’ny laoniny ny rohivoahary sy ny hanomezan-danja ny toekarena eny ifotony amin’ny alalan’ny fampivadiana ny fambolen-kazo sy ny fambolena na fiompiana, na ilay antsoina hoe asa vadim-boly. Eo koa ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Hazo 70 000 isan-taona
Mifanandrify amin’ny vinan’ny filoha Rajoelina Andry, hanamaitsoana an’i Madagasikara ireo voalaza ireo. Satria tanjona ny hambolen-kazo 70 000 ha isan-taona, hanarenana amin’ny laoniny ny velaran-tany 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030.
Nanatrika ity fotoana teny Antolojanahary Mahavelona ity ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Frankofonia Congolais, Jean Claude Gakosso, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, i Max Andonirina Fontaine, ny minisitry ny Toekarenan’ny ala Congolais, i Rosalie Matondo ary ny filohan’ ny Fondation Wangari Maathai (WMF), i Wanjira Mathai.
Njaka Andriantefiarinesy