Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ireo tanàn-dehibe, tetsy Ankorondrano, omaly, ny avy amin’ny tetikasa Produir sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Niompanan’ny fihaonana tamin’ireto mpitantana eny ifotony vaovao ireto ny fomba fitantanana ny tetibolan’ny kaominina miainga amin’ny zava-misy eo an-toerana. Eo koa ny fanaovana drafitra sy ny fitantanana ny fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe. Ao anatin’izany koa ny fitantanana mangarahara sy ny fampandraisana anjara ireo olom-pirenena eny ifotony.
Anisan’ny niatrika izany ireo ben’ny Tanàna avy any Antsiranana, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa sy Mahajanga ary ny avy any Toliary. Niaraka amin’izy ireo ny teknisianina isanisany avy. Samy naneho fahavononana hatrany izy ireo amin’ny fandraisana andraikitra iombonana ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny tanàn-dehibe.
Etsy andaniny, hanara-maso ny asa tanterahina sy hanohana azy ireo amin’ny maha minisitera mpiahy ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy kosa ny eo anivon’ny MFFT, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. “Eo hatrany izahay amin’ny fanatsarana tianareo mpitantana eny ifotony hatao mba hahatongavana amin’izany tanàn-dehibe mirafitra araka ny tokony ho izy izany”, hoy izy ireo.
Synèse R.