Opération « Coup d’arrêt » : Mpanendaka 23 lahy voasambotry ny polisy

Mpanendaka sy mpanaparitaka zava-mahadomelina eto Antananarivo ny ankamaroany, miisa 23 ireo voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny CSP4 Isotry, nandritra ny hetsika “Coup d’arrêt”, afakomaly

Miasa andro aman’alina, miara-mientana mamongotra ny mpanao ratsy, indrindra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, ny polisim-pirenena, amin’ny alalan’ny hetsika manokana “Coup d’arrêt”. Telo lahy mpanao asa fanendahana teny amin’ny manodidina an’Anda­vamamba nosamborin’ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny ireo olon-dratsy ireo. Manoloana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny manodidina, nanao savahao hatrany anaty elanelan-trano ny polisy. Mpivarotra rongony sy mpidoroka miisa fito tratra tao Andrano­ma­nalina. Niara-notanana vonjimaika rehefa nahatrarana izany. Ankoatra ireo, mpiloka an-dalambe 13 lahy koa noraofin’ny polisy manoloana ny fandikan-dalàna nataon’izy ireo.

Niantso vonjy
Nanao fisafoana teny Ano­si­patrana nandritra ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly 4 marsa, nahare antso vonjy, ny polisy miasa ao Ilanivato. Lehilahy nikasa hamaky trano tratra tamin’io fotoana io, tamin’ny 01 ora maraina. Nosa­vaina teny aminy. Nahatra­rana antsy fampiasany manao asa ratsy sy vy maranitra izay famakiana ny trano hidirany tany aminy. Nogiazana avokoa ireo fitaovana ireo. Nentina hatao fanadihadiana alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fampanoavana io lehilahy io. Marihina, mirongatra ny vaky trano sy halatra moto ho an’ny eto an-dReni­vohitra tato ho ato. Mitohy ny ezaky ny mpitandro filaminana hanatrarana ireo olon-dratsy.

Tsiferana R.

Partager sur: