Raharaham-bahiny : “Tsy voatery mitady vahaolana lavitra vao mandroso”

Nisy ny fifanaovan-tsonia lasitra politika teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy sy ny an’ny congolais, omaly teny Anosy.

“Tsy voatery mitady va­haolana lavitra hatrany vao mety hoe mandroso vahaolana”, hoy ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafara­va­vitafika, teny Anosy, oma­ly. Taorian’ny fifanaovan-tsonia lasitra politika eo amin’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny malagasy sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny congolais, i Jean Claude Gakosso no nanambarany izany. Be ny zava-mitranga eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Be koa ny fomba fijerin’ny firenena tsirairay avy ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ivelany. Rehefa manao sonia fifanarahana sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny lafiny politika, mijery izay hahazoana miara-miasa manoloana ny zava-misy maneran-tany. Izay no nahatonga ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny roa tonta niroso tamin’ny fanaovan-tsonia. Mba hahazoana mifanakalo hevitra sy mampitovy fomba fijery manoloana ny zava-mitran­ga maneran-tany.
Politika iraisam-pirenena ny resaka, mba hahazoana mamolavola fiaraha-miasa mifantoka bebe kokoa amin’ny sehatra tian’ny roa tonta hirosoana no atao. Mampi­hatra politika ivelany mivelatra amin’ny firenena rehetra i Madagasikara, tsy mametra izay firenena hiaraha-miasa. Manana vahaolana i Afrika. Ao anatin’izay no mahatonga an’i Madagasikara mikatsaka bebe kokoa amin’ireo firenena tatsimo toa azy maneran-tany. Hahazoana mijery vahaolana akaiky. Eo amin’ny lafiny toekarena, toy ny fijerena ny sehatry ny angovo sy ny fitrandrahana solika. Manankarena i Madagasi­kara. Mampiavaka azy ny fa­nanana solika, na an-tanety na an-dranomasina. Mi­sin­tona fahaiza-manao mba ha­hazoana mikirakira sy mijery ny fomba hiaraha-miasa amin’ny lafiny maro, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: