SOMBIM-BAOVAO

Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy Squad X tao anatin’ny lalao voalohany natrehiny nanoloana ny ekipan’ny Quatres Bornes Maorisiana. Niondrika tamin’ny seta 3 no ho 0. Etsy ankilany, tsara kosa ny vokatra ho an’ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, hatreto. Fandresena roa izao no azon’ny GNVB, sokajy lehilahy ary fandresena iray kosa ho an’ny vehivavy.

Hotanterahina ny sabotsy 22 marsa izao, eny amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny fihaonan’ireo Judokas, sokajy Vétérans. Ho feno ny fandaharam-potoanan’izy ireo amin’io, ka hisy ny fiarahana manao fanazarantena, hisy ihany koa ny fampitam-baovao sy fivoriambe ary ny fifaninanana kata ho an’ny sokajy 15 taona no miakatra, ny tepana maitso no miakatra, eo ihany koa ny « Maître de salle » sy ny Vétérans.

Hotontosaina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny lalaon’ny Elgeco Plus Analamanga, sy ny Fosa Juniors Boeny. Lalao izay ao anatin’ny andro fahenina, fifaninanam-pirenena “World Cola PFL”. Raha tsy misy ny fiovana farany, tsy afaka hiatrika ity lalao ity i Joma, mpiandry tsatobin’ny Fosa Jr noho ny ratra mahazo azy.

Efa mby akaiky tokoa ny fotoana hifanandrinan’i Madagasikara amin’i Centrafrique. Hatramin’izao, tsy mbola misy resaka heno mahakasika ny famoahana ny lisitry ny mpilalao hantsoina handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Andrasana fatratra amin’io ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra nasionalin’ny Barea.

Partager sur: