TARATRY ny KANTO

Nampahafantarina omaly, ilay fifaninanana « Prix mille et l’espoir africain » amin’ity taona 2025 ity. Mifototra amin’ny fanoratana tantara fohy momba ny tena izany, izay katsahaina hizara fanantenana. Manana hatramin’ny 10 avrily ireo liana te handray anjara. Marihina fa firenena 23 aty Afrika no hahazo fanohanana amin’ny famoahana ny bokin’ireo mpanoratra izay handresy amin’io fifaninanana io.
Volana avrily, hanatanteraka seho eto an-dRenivohitra ny Zanabaliha sy ny Valiha Académie. Anisan’ny hisongadina ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanehoana ny hasin’ny valiha. Tafiditra ao anatin’izany ny fitetezana ireo karazana velom-baliha fantatra fa nisy tao anatin’ny taon-jato maro. Ankoatra ireto tarika sy mpianatra avy ao amin’ny foibe fiofanana Valiha Académie ireto, hisy mpanakanto hafa hiray sehatra amin-dry zareo.
Namoaka rakitsary vaovao ny tarika Mage 4. « Ho andriko ve? » ny lohateniny, izay maneho fihetseham-po lalina, anatin’ny tontolon’ny fitiavana, araka ny mampiavaka ny tarika. Hira vaovao hoentin’ny Mage 4 hamakivaky indray ny taom-pampisehoana 2025, hanampy ireo efa nampalaza ny tarika izy ity. Raha ny heno, ho maromaro ny fandaharam-potoana amin’ity.
Hanamarika ny “Iray volan’ny poezia” ihany koa ny Faribolana Sandratra, sampana Fianarantsoa. Hisy ny “Alim-betso 301” izay hotontosaina eny Tambohobe, ny 21 marsa. Hamakivakiana ny alina mandritra izany ny fiantsana tononkalo, izay sanganasan’ireo mpikambana na nindramina, horavahina hirahira araka ny nahafantarana ny “Alim-betso” rehetra nanerana an’i Madagasikara.

Partager sur: