Trano ahitana rihana telo nirehitra tany Vakinankaratra, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. May kilan’ny afo tao ny vola 4 tapitrisa Ariary. Court-circuit ny antony nahatonga ny firehetana raha ny fanazavana voaray. Nanomboka tany amin’ny rihana fahatelo ny afo. Simba avokoa ny entana rehetra tao amin’io trano io. Vata fampangatsiahana iray sy fahitalavitra iray no avotra tao amin’ny rihana faharoa. Tonga namehy ny afo teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina.
Dahalo telo maty lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana omaly maraina, tany Analapihitra, fokontany Tsimamaliavona, kaominina Fenoarivo, distrika Ambatofinandrahana. Dahalo avy nagalatra omby izy ireo. Vokany, azo avokoa ireo omby 239 nangalaran’izy ireo. Maty nandritra ny fifanjevoana nisy teo amin’ny roa tonta ireo olon-dratsy ireo. Ankoatra izay, tratra teny amin’izy ireo koa ny basy telo nampiasan’ireto farany.
Trano 53 tafo lasa lavenona tao Ambalafary, fokontany Mahadilo, kaominina Mahambo, distrika Fenoarivo Antsinanana, ny alahady lasa teo. May avokoa ny entana sy ny biby fiompy tao an-toerana, noho izany. Vokany, tafakatra 300 ireo tsy manan-kialofana, ankehitriny. Beantitra avokoa ny 17 amin’izy ireo, 64 ireo mpianatra tsy afaka ny hihazo ny sekoly noho ny fahamaizan’ny fitaovam-pianarany.