Ny 8 marsa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, araka ny fiantsoan’ny Firenena mikambana (ONU) azy. Andro iraisam-pirenena hanasongadinana ny ady ho an’ny zon’ny vehivavy, indrindra ny fampitsaharana ny tsy fitoviana eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy. Niainga tamin’ny tantaran’ny tolon’ny mpiaro ny zon’ny vehivavy ny 8 marsa. Nankalazaina tany Etazonia ny “Andron’ny vehivavy nasionaly”, tamin’ny 28 febroary 1909, tamin’ny antson’ny Antoko sosialista amerikanina tamin’izany.
Taorian’ny tolo-kevitry ny mpanao politika sady mpanao gazety, mpampianatra, i Clara Zetkin, tao Copenhague, aogositra 1910, nankalaza ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy” voalohany ny vehivavy sosialista iraisam-pirenena, tamin’ny 19 marsa 1911. Nitaky ny zon’ny vehivavy hifidy izy ireo. Eo koa ny zo hiasa ary ny fampitsaharana ny fanavakavahana eo amin’ny asa. Nanomboka teo, nisy fihetsiketsehana isan-taona ny amin’ny zon’ny vehivavy. I Rosia Sovietika no firenena voalohany nanao izany tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ny 1921, nanaovany izany ho andro fety. Tsy andro tsy fiasana izany, raha tsy tamin’ny 1965. Tamin’ny 28 febroary 1909, tamin’ny antson’ny Antoko sosialista amerikanina ny fety nasionaly voalohany ho an’ny vehivavy: andro ankalazaina ny alahady faran’ny febroary. Hatramin’ny 1913 izay.
Nihanaka maneran-tany
ny hetsika
Tamin’ny 1910, tany Copenhague, nandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena faharoa ho an’ny Vehivavy sosialista, izay naangona vehivavy zato avy amin’ny firenena 17 samihafa ny momba ny “Andron’ny vehivavy iraisam-pirenena”. Tolo-kevitra avy amin’i Clara Zetkin, avy amin’ny Antoko demokratika sosialista alemaina izay. Tsy misy daty naroso, fa nankatoavina tamin’ny alalan’ny kaonferansa nampivondronana vehivavy sosialista 100 tany ho any avy amin’ny firenena 17 io andro io. Ny taona nanaraka, ny 19 marsa 1911, no nankalazaina ny Andro iraisam-pirenena voalohany ho an’ny vehivavy: itakiana ny zon’ny vehivavy hifidy, ny zo hiasa ary ny fampitsaharana ny fanavakavahana eo amin’ny asa. Tany Alemaina, Aotrisy, Danemark ary Soisa, olona maherin’ny iray tapitrisa no mandray anjara amin’ny famoriam-bahoaka.
Tamin’ny 25 marsa 1911, nisy afo nandritra ny fitokonan’ny mpanjaitra tao amin’ny orinasa fanaovan-damba Triangle Shirtwaist, New York, Etazonia, izay nahafaty mpiasa 140. Italiana sy jiosy mpifindra monina avy any Eoropa Atsinanana ny ankamaroan’izy ireo, izay voahidy tao amin’ilay orinasa. Nisy fiantraikany mahery vaika mifandray amin’ny fanararaotana ny vehivavy mpiasa io loza io, ary tsaroana nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Izay no anisan’ny niteraka ny fifandraisan’ny tolon’ny vehivavy sy ny hetsiky ny mpiasa.

Tamin’ny 1914 ny 8 marsa voalohany
Nanomboka tamin’ny 1911 hatramin’ny 1915, nankalazaina tany amin’ny firenena maro ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy” na “Andron’ny mpiasa”, indrindra tany Alemaina, Aotrisy, Frantsa ary Rosia. Nikarakara hetsika maro tany Berlin, ohatra, ny vehivavy sosialista, tamin’ny 8 marsa 1914, indrindra amin’ny fitakiana ny zo hifidy. Araka ny filazan’ny mpikaroka Alessandra Gissi, io no “tena 8 marsa voalohany”. Tamin’ny 8 marsa 1917 koa, ohatra, nisy ny fihetsiketsehan’ny mpiasa tao Petrograd, Rosia, izay notendren’ny Bolshevik ho andro voalohan’ny revolisiona rosiana.
Tany amin’ireo firenena sosialista ny hetsika hatramin’ny faran’ny taona 1960. Ao anatin’izany, nokarakaraina tany Belzika, ohatra, ny Andron’ny vehivavy tany Eoropa tamin’ny 11 novambra 1972, izay nahavory vehivavy 8 000 mahery. Tamin’ny farany, tamin’ny 1977 no nanaovan’ny ONU tamin’ny fomba ofisialy io andro io ho andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Nanasany ny firenena rehetra maneran-tany hankalaza ny andro iray manohana ny zon’ny vehivavy izany. Iray amin’ireo andro iraisam-pirenena 87 neken’ny ONU ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ijerena ny zava-misy iainan’ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina sy itakiana zo mitovy.
Nanomboka ny 1975 ny fankalazana isan-taona
Firenena maro no mankalaza ny 8 marsa taorian’ny Ady lehibe faharoa. Tamin’ny 1946, nankalaza ny Andron’ ny vehivavy ny firenena tatsinanana izay vao teo ambany fitondrana sovietika. Tamin’ny 8 marsa 1977, teo ny fandraisana andraikitra kominista, nanaraka ny Taona iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tamin’ny 1975. Nanapa-kevitra ny ONU mandidy ny firenena mpikambana ao aminy hankalaza ny “Andron’ny ONU ho an’ny zon’ny vehivavy sy ny fandriampahalemana iraisam-pirenena”, izay matetika antsoiny hoe “Andron’ny vehivavy iraisam-pirenena”.
Notontosain’i R. Nd.
Hoy izy ireo :
“Ny vehivavy afaka dia mifanohitra tanteraka amin’ny vehivavy maivana.”, Simone de Beauvoir.
“Tsy misy fetra ny zavatra azontsika atao amin’ny maha vehivavy antsika.”, Michelle Obama.
“Zon’olombelona ny zon’ny vehivavy.”, Hillary Clinton.
“Raha misy zavatra tianao holazaina, anontanio lehilahy iray; raha misy zavatra tianao hatao, anontanio vehivavy.”, Margaret Thatcher.
“Ry vehivavy, ianareo no mitana eo am-pelatananareo ny famonjena an’izao tontolo izao.”, Léon Tolstoï.
“Feno fankasitrahana aho noho ireo fotoan-tsarotra rehetra niainako sy ireo ranomaso rehetra nitomaniako, satria nahatonga ahy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra izany ary nahatonga ahy ho vehivavy matanjaka izay misy ahy ankehitriny!”, Angela Merkel.