Mangina tanteraka ny fanomanan’ny Barea de Madagascar ny andro fahadimy hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Hatreto, mbola mampametra-panontaniana ny amin’ireo mpilalao hantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar, hiatrehana ny Les Fauves an’i Centrafrique.
J-13 mialoha ny hiatrehana ny fifanintsanana ny “Mondial 2026” ny Barea de Madagascar. Fihaonana hikatrohana amin’ny Les Fauves an’ny Repoblika Centrafrique ary tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy ho an’ny sokajy “I”. Raha efa ao anatin’ny fanomanana ry zareo Centrafrique, mbola baraingo ny an’ny Malagasy. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra ireo mpilalao hantsoina hanatevina ny Barea de Madagascar, hiatrika izany fihaonana izany. Siosion-dresaka etsy sy eroa ary vaovao tsy marim-pototra amin’ny tambajotran-tserasera no mita sy re.
Ankoatra izay, samy tsy andrenesam-peo na ny federasiona na i Corentin Martins, mpanazatra, izay tsy mbola eto an-toerana fa mandresy lahatra ireo mpilalao any Eoropa. Raha ny fanadihadiana natao, ho vitsy ireo mpilalao avy eto an-toerana no ho tafiditra ao anaty lisitra fa hameno izany ireo mpilaravinahitra. Mety ho 10 isan-jato ihany, raha ny vaovao voaray.
Lalao hanan-danja io lalao io ary hiankinan’ny herijika amin’ny ho tohin’ny dian’ny Barea ka tsy miantehitra amin’ireo mpilalao avy eto an-toerana ny mpanazatra. Andrasana ihany koa ny fandaharam-potoana amin’ny fampivondronana ao anatin’ny datin’ny Fifa. Tsiahivina fa any Maroc no handray ny Barea de Madagascar ny Les Fauves an’i Centrafrique, ny alarobia 19 marsa ho avy izao. Marihina fa vao nisolo mpanazatra toy ny Barea de Madagascar koa ny Les Fauves, ka ilay teratany Kameroney, i Rigobert Song, no voatendry amin’izany. Sedra voalohany ho an’i Corentins sy i Song izany io lalao io. Samy tsy hilalao ao amin’ny kianjany rahateo ny ekipa roa tonta.
Tompondaka