Depiote sy ben’ny Tanàna Vakinankaratra: “Tsy azo ekena ny fambolena korontana eto”

Nanao fanambarana ireo ben’ny Tanàna Irmar miisa 50 sy ireo avy amin’ny tsy miankina miisa 24 ary ireo depiote amin’ireo distrika fito ao Vakinankaratra. “Lavinay ma­rin­­drano ary toherinay amin’ny herinay rehetra ny fambolena korontana sy fandrebirebena ny saim-bahoaka tsy hampisy fitoniana sy fiarahamonina milamina”, hoy izy ireo tao Ambatolampy, ny talata teo. Nohitsin’ny fanambarana fa saro-piaro ary vonona hijoro izy ireo raha misy minia misompatra ny lalan’ny fampandrosoana, efa voasoritry ny filoham-pirenena mazava tsara.
Naneho fahavononana koa izy ireo fa hanompo ho an’ny tombontsoan’ ny vahoaka ary manohana hatrany ny filoha Rajoelina Andry. Mandray anjara andraikitra mavitrika amin’ny ezaka rehetra hatao, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Man­kasitraka ireo ezaka rehetra sy ny tetikasa ary ny vinam-pampandrosoana entin’ny filoha izy ireo. Azo tsapain-tanana izany any amin’ny faritra Vakinankaratra, araka ny fanambarana. Nankasitraka ireo naneho ny safidy malalaka tamin’ireny fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena ireny izy ireo. “Nahazoanay ampahambato be sy lavitra hatrany ka rariny raha tena saro-piaro amin’ny safidim-bahoaka izahay. Ny fifidianana tokana ihany no antoka tokana ho amin’ny fifandimbiasam-pahefana. Ny fiandrasana ny tetiandrom-pifidianana no hampisy ny filaminana sy fandria-pahalemana eto”, hoy ihany ireto olom-boafidy ireto.

Synèse R.

Partager sur: