Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina, ny atrikasa mahakasika ny tetikasa “Fampiasana ny tambajotran-tserasera araka ny tokony ho izy” na “Utilisation responsable des réseaux sociaux”.
Tanjona amin’izany ny hanentanana sy hampahafantarana ireo tanora manoloana ny fampiasany ny finday sy ny tambajotran-tserasera, toy ny voka-dratsiny, ireo lafy tsarany izay azo trandrahina. Olona maherin’ny 10 000 isa no efa nisitraka ny fanentanana nanomboka ny taona 2020.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco (ComNat) sy ny ONG Human Development Action (HDA), tohanan’ny Programme de participation 2024-2025 ny Unesco no nahatontosana izany.
Eo am-panombohana, hisy ny fampiofanana mpanabe miisa 20, avy amina sekoly miisa 12 avy eto Antananarivo sy Manjakandriana. Faritany miisa telo dia Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina no hanatanterahina ny hetsika fanentanana. Tanora miisa 5 000 no vinavinaina hahazo tombontsoa amin’izany, hatramin’ny faran’ny taona.
Araka ny antontanisa nivoaka ny taona 2023, mahatratra 6,43 tapitrisa ny tanora malagasy no mikirakira internet izay manome ny 22, 3% amin’ny mponina.
Vonjy