Fampirantian’ny IKM : « Ny rakitry ny taniko Madagasikara »

Vanim-potoana mamelombelona ny maha Malagasy ao anaty izao. Misy amin’ireo fanao andavanandro no efa nolovaina tamin’ny fahagolan-tany. Voarakitra amina sanganasan’ny mpanakanto izy ireny, izay hatolotry ny Musée du Nord haranty ao amin’ny IKM Antsahavola, ny zoma 7 matsa hatramin’ny sabotsy 5 avrily ho avy izao. “Ny rakitry ny taniko Madagasikara” ny lohahevitra, izay havoitra anatin’ny karazana fampirantiana marososona, notakarina tamin’izay fiainana andavanandro izay.
Hizara roa ny fampirantiana, ka ny iray maharitra mandritra io vanim-potoana io. “Takariva amorom-patana sy tantara angano ary ny lakozia malagasy”, “Trano mivadika”, “Famakian-teny ankalamanjana”, “Positive house”. Ireo ny lohahevitry ny voalohany. Ny faharoa kosa hiova isan-kerinandro, manaraka lohahevitra. “…Sur les routes de Madagascar” ny 7 hatramin’ny 13 marsa. « Ny fiainana andavanandro sy ireo faritra misy anay manerana ny Nosy » ny 14 marsa hatramin’ny 20 marsa. “Then and now, taloha sy ankehitriny” ny 21 marsa hatramin’ny 5 avrily. Mahakasika manokana ny “Raharaha 47” kosa ny andron’ny 29 marsa.

Zo ny Aina

Partager sur: