«Festival Surakjkund 2025 » : Nisongadina tany Inde ny kolontsaina malagasy

Tsy vao sambany. Nanamafy indray ny mampiavaka ny kolontsaina malagasy ny fandraisana anjaran’ny Malagasy Folkloric Band (Maf’B), tamin’ny « Festival Surakjund 2025 » tany Inde, farany teo.

Fahombiazana feno. Izay raha hanaovana jery todika ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ilay hetsika iraisam-pirenena « Festival Surajkund Crafts Mela ». Fanao isan-taona any Surajkund, any Inde, izy ity, izay hanomezana sehatra ny asa tanana sy ny fomba amam-panao ary ny kolontsaina maneran-tany. Fanehoana indrindra koa ny fahasamihafan’ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny zavakanto. Tsy vao tamin’ity andiany 2025 ity akory no nanana solontena nandray anjara tamin’izany i Madagasikara. Efa nisy ny andiany voalohany, nandraisan’ny Maf’B anjara. Mbola izy ireo ihany, na dia nisy aza ny fiovan’ny mpikambana sasany, no nitondra ny mozika, dihy ary fitafy malagasy mampiavaka ny foko rehetra misy eto.
Ny solontena malagasy irery no nanao seho mivantana sy nandray anjara tamin’ireo fotoana rehetra, nandritra ny andro maromaro nisian’ny hetsika. Maroloko ny tolotra nentin’ny Maf’B, naneho ireo mozika nentim-paharazana malagasy, izay tena nisarika sy nambabo ny fo amam-panahin’ireo mpijery. Samy naneho ny mampiavaka ny mozika malagasy ireo izay nifanerasera tamin’ny mpikambana nandritra ny hetsika. Tombony lehibe ho an’ireto mpanakanto ireto tokoa izay fifaneraserana narahina takalo kanto izay. Manampy ny traikefa amin’ny fandraisana anjara amina hetsika iraisam-pirenena mantsy izany, no manokatra ny lalana amin’ny tsenan’ny mozika any ivelany ihany koa.
Tsiahivina fa fanasan’ny governemanta indianina no nandehanan’ny Maf’B tany Inde. Delegasiona mafonja, ivondronan’ireo mpampianatra mozika sy mpianatra efa misongadina ao amin’ny Akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) izy ireo. Raha ny tatitry ny delegasionina, azo antoka fa hisy tohiny ny fiaraha-miasa. Efa misy koa ny karazana “festival” hafa liana amin’ny zavakanto malagasy, ka efa mampiditra izany anatin’ny tetikasany. Irariana ho lasa lavitra kosa ny lalana ho an’ny Maf’B.

Zo ny Aina

Partager sur: