Fifehezana ny fenitry ny fanorenana: Nofanina ireo matihanina ao Fianarantsoa

Mitohy ny hetsiky ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Anisan’ny nanaovana fampiofanana ny any Fianarantsoa.

Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tanjona amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny politika nasionaly amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izy ireo. “Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamafisana ny sandan-tohitran’ny tanàna, tohanan’ny AFD izany ary hiarahana-miasa amin’ny orinasa Ginger Sofreco, anisan’ny voafidy ho mpanampy ny ara-teknika”, hoy ny avy eo anivon’ny minisitera. Na­tokana ho an’ireo mpisehatra sy ny matihanina amin’ny asa fanorenana izao fiofanana izao. Nivoitra tamin’izany fa ilaina ny fifehezana ireo fenitra vaovao ho amin’ny fanamboarana trano tsara fototra ary manaraka ny fandaharanasa ny drafitra fanajariana ny tanàna.

Nampitana ny traikefa sy ny fahaiza-manao

Natao koa izao fampitana traikefa sy fampitana fahaiza-manao izao mba hanomezana fahalalana sy fitaovana ilaina ho an’ireo mpiofana. “Tafiditra amin’ny famolavolana, fandalinana, fanaraha-maso sy fanatanterahana ny sori-dalana fanorenana trano sy fanajariana ny tanàna izany”, hoy ny eo anivon’ny MFFT.
Tsiahivina fa hifarana anio ny fanofanana, raha efa nialohavan’ny atrikasa natao teto Antananarivo, ny 19 hatramin’ny 21 febroary lasa teo, ary izao ny fifampizarana tanterahana any Fianarantsoa. Niatrika ny fotoam-panokafana, omaly, ny Prefektioran’i Fianarantsoa, niaraka tamin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Matsiatra Ambony. Teo koa ny tompon-draharaha amin’ny alalan’ny talem-paritra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny Tany ho an’ny faritra Matsiatra Ambony sy ireo mpiantsehatra ary ny solontenan’ireo orinasa samihafa miaraka amin’ny ONG any an-toerana.

Synese R.

Partager sur: