Forum économique du secteur privé : Hitohy ny fisoratana anarana

Manasa ny Malagasy mpandraharaha liana handray anjara amin’ny hetsika « Fo­rum économique du secteur privé » atao any Genève-Suisse ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Hiitatra hatramin’y 21 marsa ny fisoratana anarana mba hahafahan’ireo mpandraharaha mikarakara ireo antontan-taratasy samihafa mahakasika izany. Marihina fa hetsika goavana iraisam-pirenena ny « Forum de Ge­nève » izay hatao ny 2 sy 3 mey ho avy izao. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy mpandraharaha sy ny any ivelany amina sehatra marolafy, toy ny fizahantany, indostria, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fambolena.
Ankoatra izay, hifanakalo hevitra mahakasika ny tontolon’ny fandraharahana ireo mpandray anjara maherin’ny 100 andrasana mandritra ny fihaonambe. Tanjona ny hifampizaran’ny rehetra ny fahaiza-manaony sy ny traikefa ananany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Hisy ihany koa ny soso-kevitra entina hanatsarana izany, indrindra eo amin’ny toekarem-pirenena. Ankilany, hisongadina mandritra ny varotra fampirantiana ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Kendrena ny hisarihana ireo teratany Suisse sy hanaporofoana amin’izy ireo fa tsara lavitra noho ny hafa ny vita malagasy. Marihina fa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fihaonambe atao.

Henintsoa Hani

Partager sur: