Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahelamana manerana ny Nosy. Isan’andro vaky izao dia misy ny maty amin’ny fomba feno habibiana. Tsy vitan’izay, tena mivadika atidoha ara-bakiteny ny olon-dratsy. Feno fahasahiana, mahasahy mandatsa-dra sy mamono ankitsirano. Tsy misy vidiny intsony ny ran’olombelona. Very maina, raraka an-tany tsy fidiny.
Mampivarahontsana ny mieritreritra ny zava-miseho etsy sy eroa. Mampitomany ny zava-misy. Mitoloko tsy satry ny mpianakavy. Kamboty sy zary mananontena amin’ny tsy ampoizina ny vady aman-janaka. Tena tafahoatra, mampiteny ny moana ny zava-misy sy zavatra iainana amin’ny ankapobeny eto amin’ilay firenena. Ny mpitandro filaminana anefa dia mameno tanàna.
Hatreto, tsy hita izay fandraisana andraikitra mivantana ataon’ny mpitandro filaminana mba hisorohana ny trangam-piarahamonina tahaka izany. Mpitsabo aorian’ny fahafatesana hatrany. Tsy manana ny politika hifehezana ny tsy fandriampahalemana. Aorian’ny ra latsaka sy aina nafoy matetika vao miseho ho mpanavotra sy mpiaro ilay vahoaka sy fananany.
Mila mahasahy maka ny fepetra mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny lehiben’ny mpanatanteraka rehefa tsy mahovoka sy tsy afa-manoatra ny nametrahana fitokisana. Raha ny fisehosehoana amin’ny hetsika faran’izay bitika no hatao mari-drefy lava eto amin’ny firenena dia tsy mahagaga raha boribory vetaveta tahaka izao ny olan’ny tsy filaminana.
Miroso amin’ny fanadiovana ny tomponandraikitra ny vahaolona satria angady tsy mahatapaka ahitra. Tsy tokony hailika amin’ny vahoka izay sady efa lasibatra ny andraikitra. Tsy ampy ny fametrapetrahana ny andrimasom-pokonolona sy ny karazana dinabe eny ifotony, raha ny dahalo ambony latabatra no miriaria. Ireto farany anefa izay tokony ho mpanirina saingy mampivandravandra.
Mila tonga saina ny vahoaka, mila miray hina ihany koa amin’ny fisorohana ny asan-dahalo. Tsy ampy ianteherana intsony ireo andry natao iankinana.
Randria