Moto “4H Honda”: Hifampitana amin’ny vahiny ny Malagasy

Hotanterahina eny Ambohidava, ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka moto “Enduro”, mitondra ny anarana hoe “4H Honda”, andiany faha-23. Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara, omaly, ho avy handray anjara ao ireo mpanamory moto fanta-daza eto an-toerana sy avy any amin’ny faritra, toa an-dry Claudio Tida sy Mathias Plantive. Andrasana amin’io fotoana io ihany koa ny fahatongavan’ireo mpilalao avy atsy La Réunion, izay miisa 15 eo.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hisy frantsay handray anjara mandritra io fifanintsanana “4H Honda” io. Hampiavaka ny hetsika amin’ity ny toerana izay azon’ireo mpilalao rehetra hivalamparana, ary indrindra hanome fahafaham-po ireo mpankafy ny taranja moto maro eto Madagasikara. Ankoatra izay, hizara sokajy maro ny lalao. Ao ny sokajin-dalao ho an’ny “elite 1 sy 2”, ny zandriny Junior, ny vehivavy, ny vétérans 1 sy 2, ny Mixte, ny “Amateur”, ny 85cc, ny “Rockie”, ny “XR”. Tsara marihina fa ny “4H Honda” dia fifaninanana karakarain’ny Madauto, eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme (FMaM), izay tarihin-dRanaivoson Clotilde.

F.R

Partager sur: