Nanisana : Raim-pianakaviana hita faty tao anaty tatatra

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona, hita faty tao anaty lakandrano tetsy Nanisana Ankerana, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Olona sendra nandalo no naheno fofona sy nahita fatin’olona ka niantso fokonolona sy nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy naka ny razana teny an-toerana ny eo anivon’ny BMH. Maty efa ho 2 andro tao anaty lakandrano izy io ary efa nanomboka nibontsina ny kibony, raha ny fahitana ny razana teny an-toerana.
Hitan’ny fianakaviany farany io lehilahy maty io ny andron’ny alatsinainy lasa teo. Efa nanao ny fikarohana rehetra ny fianakaviana nitady azy rehefa tsy nody tao an-trano intsony izy, fa omaly vao hita ny vata mangatsiakany. La­lana hizorany isaky ny mandeha mody isan’andro io toerana nahitana ny razana io, raha ny fitantaran’ny fianakaviany.
Marihina fa mpampianatra eny Anjanahary ity lehilahy hita faty ity, izay monina tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny fianakavian’ny maty. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny antony nahafaty azy sy ny naha latsaka azy tao anatin’io lakandrano io.

Mino

Partager sur: