Rasambany Alain Desiré: “Atsaharo ny fankahalana sy fanaratsiana”

Naneho ny heviny manoloana ireo lahateny samihafa tany Toliary, nidinan’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, afakomaly, ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa anaty krizy sosialy ny any atsimon’ny Nosy amin’izao fotoana izao. “Tsy mendrika ireny serasera miendrika fankahalana sy fanaratsiana ny hafa ary fidokafan-tena ireny. Atsaharo fa tsy maharesy lahatra ny vahoaka efa mijaly izany”, hoy izy.
Nanteriny fa manana ny hasiny ireo vahoaka any atsimo ary manana ny soatoavina hajainy koa izy ireo. Tsy araka izany anefa no anaovan’ny mpitondra sy ireo mpanara-dia azy tany an-toerana, araka ny nambarany. “Aoka tsy hosimbana ny endrika tsara sy ny firaisankinan’ny ao Toliara na olom-boafidy aza ianareo. Tsy azonay ekena izany fa mamotika ny fomba fanaovana politika”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa mahatonga ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony ireo mpisehatra politika ny fihetsika tahaka izany, araka ny nambarany.
Notsindriny ary tokony hazava amin’ny rehetra fa andraikitry ny filoha sy ny Governemanta, eo ambany fiahiany ny tsy maintsy manatanteraka ireo programanasa momba ny fiatrehana ny fiantraikan’ny loza voajanahary. “Natao ho tantanin’izy ireo ho amin’izany ny volam-bahoaka. Anjara biriky entin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao politika ny tolo-tanana na sosokevitra, araka ny nambarany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: