SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fifantenana mpilalao Makis U18, izay hiatrika ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina « Aroi 2025 ». Tamin’ireo mpilalao miisa 40, nilaza ny federasiona fa 21 ihany no voafantina hiatrika ny fifantenana farany. Tsiahivina fa hatao eto Madagasikara ny Aroi, ny volana avrily.
Samy laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy azy avy ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, ary samy tafakatra hiatrika ny lalao ampahefa-dalana, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, faritra faha-7, taranja volley-ball, atao any Maorisy. Tsara ny vokatra hatreto ho an’ny GNVB ary tsy mbola resy mihitsy izy ireo tamin’ireo lalao 3 efa vita.
Hifandona amin’i Serbie, Autriche ary Pays-Bas, ny ekipan’ny Ankoay 3×3, lahy, mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Thaïlande, ny 14 hatramin’ny 17 marsa izao. I Chine, Allemagne ary Canada no miandry ny ekipan’ny Ankoay, vehivavy. Ny 12 marsa izao no hanainga hihazo an’i Thaïlande ny delegasiona malagasy.
Efa tsara ny toerana misy ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Arsenal ary ny Aston Villa anglisy, amin’ity lalao “Champions Leagues” ity. Miandry lalao miverina izay hatao ny 11 marsa ry zareo, saingy mbola ny tongotra ila ihany no efa any amin’ny ampahefa-dalana fa ny ilany mbola any amin’ny ampahavalon-dalana.

Partager sur: