TARATRY ny KANTO

Fondation H. Nifarana ilay fampirantiana « Mémoria : recits d’une autre Histoire », izay naharitra 10 volana, teto Antananarivo. Nahitana sanganasa 40 mahery, an’ireo mpanakanto 22 avy amin’ny firenena 11 aty Afrika izany. Nahatratra 140 000 teo ireo mpitsidika nanomboka ny 4 avrily 2024. Hihazo tanàna-dehibe any amina firenen-kafa indray ny fampirantiana, aorian’izao.
Velakevitra momba ny haisoratra. Hetsika hotanterahin’ny Faribolana Sandratra ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny alarobia 12 marsa manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Haneho ny heviny momba ny lohahevitra: « Angano, tafasiry tsy ho lany manja », i Mina Ilarion. « Biby olona sa olona biby? », kosa no hovelabelarin-dRakemba. Samy efa nilona tao anatin’ny tontolon’ny soratra taona maro izy ireto.
Hanamarika sy hanatanteraka ny jaobily faha-45 taona teo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana i Ranöe. Hotanterahina ao amin’ny FJKM Ankadifotsy, ny alahady 9 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny lanonam-panokafana. Marihina fa ankoatra ny maha mpampianatra an-dRakotoma­hafaly Norbert Eugène, iray amin’ireo mpanoratra angady nananana sy vy nahitana ny Faribolana Sandratra koa izy.
Misy ny velakevitra ho an’ny mpianatra amin’ny kilasy ambaratonga fahatelo, hataon’ny Faribolana Sandratra Mahajanga. Iarahana amin’i Rima (mpanoratra sady mpampianatra taranja Malagasy) izany amin’ity. Efa nanomboka omaly ny fitetezana ireo sekoly efa namandrika fotoana. Rahampitso amin’ny 3 ora kosa ny fotoana ho an’ny rehetra, ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina.

Partager sur: