TSELATRA

Tafakatra 15 ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Mangataboa­hangy hatramin’izao, ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Efa tonga eto Antananarivo miatrika fanadihadiana izy rehetra amin’izao fotoana izao. Mety hiakatra fitsarana ny alatsinainy 10 marsa izao, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary misahana ny fanadihadiana.
Lehilahy iray 36 taona, maty notetehin’ny olon-dratsy, tao an-tampon’ny fokontany Anjiajia, kaominina ambonivohitr’Ankerika-Antsohihy, afakomaly tamin’ny 4 ora maraina. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy no nifanehitra tamin’ny jiolahy. Tsy navelan’ny jiolahy raha tsy tapitra ny ainy. Marihina fa filohan’ny Fikambanana Tanora Antanampizina Antsohihy izy io.
Notanana vonjimaika am-ponja ilay reny nanary ny zanany vao teraka tao an-davapiringa tetsy Antanety, kaominina ambanivohitra Bemasoandro, omaly. Vao teraka izy io dia narian’ny reniny tao amin’io toerana io. Naheno ny feon’ilay zaza nitomany ny mpiara-monina ka nandray andraikitra nisikotra azy. Velona soa aman-tsara ilay zaza. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana, efa tezaina eny anivon’ny Ankany kosa izy amin’izao fotoana izao.
Tratran’ny Polisy avy eo anivon’ny kaomisaria Moramanga i Banga, mpamaky trano sy mpanendaka gagilahy. Voasambotry ny polisy teo amin’ny lalan’ny gara izy ny alin’ny 03 marsa lasa teo, tamin’ny 09 ora sy sasany. Tratra niaraka taminy ny antsy lava iray izay fampiasany amin’izany asa ratsy ataony izany. Efa nisy ny didy fampisamborana azy navoakan’ny fitsarana talohan’izao.

Partager sur: