Nialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny lehilahy 22 taona voatrobaky ny antsy tetsy Ambavahaditokana Itaosy. Iray hafa koa, novonoin’ny tsy mataho-tody tao Toamasina. Nitranga ny alin’ny talata hifoha omaly, alarobia 5 marsa, avokoa izany.
Lonilony tsotra izao! Namoy ny ainy nipotsaka tsinay ny lehilahy 22 taona nandritra ny vono olona nitranga tao amin’ny fokontany Ambavahaditokana, kaominina Itaosy, afakomaly hariva. Mpilalao tsipy kanetibe miaraka amin’ireo namany eo an-tanàna io tovolahy vao erotrerony io. “Matetika hiantsian’ny lehilahy iray ady izy rehefa milalao saingy tsy mamaly”, hoy ny nambaran-dRavoninjatovo Emmanuel, izay anadahin-drenin’ilay lasibatra.
Nivoaka ny trano harivariva hividy sigara niaraka tamin’ny zandrim-badiny io lehilahy 22 taona io. “Efa-dahy anefa niandry azy tao ambadiky ny fiara. Nanatsatoka antsy ny iray”, hoy ny loharanom-baovao. Nanavotra ny ainy ilay zazalahy ka nianjera tamin’ny tany. Nokasain’ilay nitondra antsy ho ratraina koa izy. Tsy lavitra ny biraon’ny zandary, nanararaotra namonjy io toerana io io zazalahy io. Nivoaka anefa ny tsinain’ilay voatsatoka antsy ka nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Tsy tana ny ainy.
Tetsy ankilany, saika ho leran’io nahavanon-doza io koa ny vadiny. Namonjy zandary ity farany ka nampandre ny zava-nisy fa fofoim-badiny ny ainy. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana, voasambotra ilay tompon’antoka tamin’ny tsatoka antsy. Telo lahy voatondro ho niaraka taminy koa notanana atao famotorana.
Intelo voaletra antsy
Lehilahy iray koa, nanamparan’ny olon-dratsy habibiana tao Ambolomadinika Toamasina, ny alin’ny talata 4 marsa teo tamin’ny 9 ora. Hamonjy fodiana rehefa avy nivavaka, nifanena tamin’ny roa lahy izy. Tsy nisy alaharo, nosintomin’ny iray ny kitapo kely teny am-bozony. Nanatsatotsatoka antsy intelo teo amin’ny tenda sy tratran’io niharan’ny vono io, ny lehilahy iray hafa. Poa toy izay, niara-nandositra ireo roa lahy. Nihazakazaka namonjy ny trano fonenany ilay voatsindrona antsy. Be loatra ny ra very ka nitarika ny fahafatesany. Naterin’ny reniny teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray ahina ho atidoha tamin’ity vono olona ity. Andrasana ny tohin’ireto tranga vono olona roa samihafa teto Antananarivo sy tao Toamasina ireto.
Tsiferana R.