Vidin-tsolika : Intelo nihena ny lasantsy tato anatin’ny roa volana

Mizatra tsikelikely ny fiovaovan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Indroa nihena ny vidin’ny lasantsy tao anatin’ny fiovana intelo, raha indroa nisondrotra ny gazoala sy ny solitany fandrehitra.

Mizatra tsikelikely! Niova fanintelony ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa, nanomboka ny janoary 2025. Omaly 5 marsa, nidina ho 5 320 Ar/l ny vidin’ny lasantsy raha 5 500 Ar/l tamin’ny 5 febroary ary 5 700 Ar/l ny 18 janoary raha 5 900 Ar tany aloha. Ho an’ny gazoala, nidina ho 4 760 Ar/l tamin’ny 18 janoary raha 4 900 Ar/l tany aloha. Niakatra ho 4 890 Ar/l ny 5 febroary ary mbola nisondrotra ho 4 970 Ar/l, ny 5 marsa. Tsy nihetsika ho 2 430 Ar/l ny solika fandrehitra ny janoary, niakatra ho 2 630 Ar/l ny febroary ary nisondrotra ho 2 830 Ar/l, ny 5 marsa.
Araka ny fampahafantarana ataon’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), mila mizatra tsikelikely ity fiovan’ny vidin-tsolika isam-bolana ity ny mpanjifa, satria ampifanarahana amin’ny fiovaovany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana atao amin’ny Tahirimbola iraisam- pirenena (FMI), mba hahafahana misitraka ny Fampindra­mam-bola nohamoraina (Fec), mitentina 337 tapitrisa dolara, sy ny Tahirimbola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro maharitra (FRD), mitentina 321 tapitrisa dolara, izany hoe, mitotaly 658 tapitrisa dolara.
Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny FMI, ny 27 febroary teo, ny famoahana ny 101 tapitrisa dolara, ka 48 tapitrisa dolara ho an’ny Fec ary 53 tapitrisa dolara ho an’ny FRD. Nambarany fa azo nekena ny vokatra nataon’i Madagasikara mahakasika ny fandaharanasany momba ny Fec sy ny FRD, saingy tsy mifandanja. Afaka manana tahirim-bola ny fanjakana hampiasaina ho an’ny lafiny sosialy sy fampiasam-bola. Mijanona ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanarenana ny Jirama sy ny fitazonana ny tsy hisondrotan’ny vidim-piainana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: