Hanomboka rahampitso, ny fifaninanana “XXL Smatchin by Be Connect”, andiany faha-11. Lalao 9 avy hatrany no hitranga amin’ity andro voalohany ity, raha ny fandaharam-potoana. Eo amin’ny Kianja Barea, ivelany avokoa no hanaovana ireo lalao ireo. Hifandona voalohany eo amin’ny Kianja Barea 1, ny ekipan’ny Escame sy ny FLSH, eo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka ny ekipan’ny Estim sy ny Esum no hihaona voalohany, eo amin’ny kianja Barea 2. Marihina fa ny lalao eo amin’ny sokajy lehilahy avokoa no handeha amin’io zoma 7 marsa io, noho ny hamaroan’io sokajy io, raha oharina amin’ny ekipana vehivavy. Raha ny fandaharam-potoana, ny sabotsy 8 marsa no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ny zoma 7 marsa hatramin’ny 14 marsa no hanaovana ny fifanintsanana isam-bondrona. Ny 15 marsa kosa no miditra amin’ny ampahavalon-dalana ny sokajy lehilahy. Ny 16 marsa no hanaovana ny ampahefa-dalana, ny 17 marsa ny manasa-dalana ary ny 18 marsa kosa no hanaovana ny lalao famaranana.
Mi.Raz
Fandaharan-dalao 5 marsa
Kianja barea 1 : Escame vs FLSH
IEP vs EST
ESSAgro vs UP Ambohidratrimo
Cnela vs ES DES
Issig Toamasina vs Esti
Kianja barea 2 : Estim vs Esum
ESD vs ITU
Onifra vs Emit
ISFPS vs Cnam