Baolina kitra any Allemagne: Tafiditra anatin’ny « onze type » i Bolo

Miezaka mampiseho sy mampisongadina ny tenany any Allemagne ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i Voahari­niaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Araka ny fikarohana natao omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao 11 tsara indrindra, “onze type”, taorian’ny andro faha-24 ny fifaninanana rezionaly ny tenany. Tapa-bolana mahery teo izay no niarahan’ity Malaga­sy ity tamin’ny kliobany vaovao, Hertha Zehlendorf Berlin 03. Efa tafapetraka tsara amin’ny toerany anivon’ity ekipa ity ny lehilahy. Ny sabotsy lasa teo, nampiaiky ny maro ny zava-bitany, raha nifandona tamin’ny Luckenwalde FSV 63. Noho ny fitaka nataony teny ambony kianja, voatery nanao fahadisoana tao anaty faritra tsy azo ivalozana indray ny vodilaharana ka nahazo “penalty” ny Hertha 03 Berlin. Nandresy tamin’ny isa 4 no ho 1 moa ry Bolo, tamin’io fihaonana io. Mbola mitazona ny nofy tiany hotratrarina hatrany i Kanto Fitiavana, dia ny hisalotra ilay akanjon’ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa efa nilaza izy fa vonona hatrany ny hiaro ny voninahi-pirenena ary maniry ny handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ireo lalao hatao ny volana marsa. Ho fantatra ny 12 marsa ho avy izao ny valin’izay na ao anatiny izy na tsia.

F.R

Partager sur: